T’ anaty haizina
No nahitany, ilay fanahy namany
T’anaty aloka
No nifanenany ireo avelo mazina
Tovovavy tso-panahy
Mamin’ny olona an-tanana
Fasam-poana e! no mba namany
Ireo avelo no akamany
Ny tenimpolin’ny fanahy ratsy
No lapa fileleny
Ny tenimpolin’ny fanahy ratsy
No fiangonana ivavahany
T’ anaty aizina
No nahitany ireo fanahy akamany
Fasam-poana sy ny avelo
Ireo no aizina ao aminy
Ny tenimpolin’ny fanahy ratsy
No lapa fileleny
Ny tenimpolin’ny fanahy ratsy
No fiangonana ivavahany